1. Moreover Ahithophel said unto Absalom, Let me now choose out twelve thousand men, and I will arise and pursue after David this night:
1. Achitophel dit à Absalom: Laisse-moi choisir douze mille hommes! Je me lèverai, et je poursuivrai David cette nuit même.
1. "Ary hoy koa Ahitofela tamin' i Absaloma: aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina, dia hiainga aho ka hanenjika an' i Davida anio alina;"
2. And I will come upon him while he is weary and weak handed, and will make him afraid: and all the people that are with him shall flee; and I will smite the king only:
2. Je le surprendrai pendant qu`il est fatigué et que ses mains sont affaiblies, je l`épouvanterai, et tout le peuple qui est avec lui s`enfuira. Je frapperai le roi seul,
2. "Ary ho tonga eo aminy aho amin' ilay izy mbola sasatra sy miraviravy tanana iny, ka dia hampitahoriko izy; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy; ary ny mpanjaka ihany no hasiako."
3. And I will bring back all the people unto thee: the man whom thou seekest is as if all returned: so all the people shall be in peace.
3. "et je ramènerai à toi tout le peuple; la mort de l`homme à qui tu en veux assurera le retour de tous, et tout le peuple sera en paix."
3. "Dia haveriko ho ety aminao ny vahoaka rehetra; miankina amin' io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan' ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra."
4. And the saying pleased Absalom well, and all the elders of Israel.
4. Cette parole plut à Absalom et à tous les anciens d`Israël.
4. Ary sitrak' i Absaloma sy ny loholon' ny Isiraely rehetra izany.
5. Then said Absalom, Call now Hushai the Archite also, and let us hear likewise what he saith.
5. Cependant Absalom dit: Appelez encore Huschaï, l`Arkien, et que nous entendions aussi ce qu`il dira.
5. Kanefa hoy Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny.
6. And when Hushai was come to Absalom, Absalom spake unto him, saying, Ahithophel hath spoken after this manner: shall we do after his saying? if not; speak thou.
6. Huschaï vint auprès d`Absalom, et Absalom lui dit: Voici comment a parlé Achitophel: devons-nous faire ce qu`il a dit, ou non? Parle, toi!
6. "Ary nony tonga teo amin' i Absaloma i Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no nolazain' i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Raha tsy izany, dia mba mitenena ianao;"
7. And Hushai said unto Absalom, The counsel that Ahithophel hath given is not good at this time.
7. Huschaï répondit à Absalom: Pour cette fois le conseil qu`a donné Achitophel n`est pas bon.
7. Ary hoy Hosay tamin' i Absaloma: Tsy mety ny torohevitra nataon' i Ahitofela tamin' ity.
8. For, said Hushai, thou knowest thy father and his men, that they be mighty men, and they be chafed in their minds, as a bear robbed of her whelps in the field: and thy father is a man of war, and will not lodge with the people.
8. "Et Huschaï dit: Tu connais la bravoure de ton père et de ses gens, ils sont furieux comme le serait dans les champs une ourse à qui l`on aurait enlevé ses petits. Ton père est un homme de guerre, et il ne passera pas la nuit avec le peuple;"
8. "Ary hoy koa Hosay: ianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy hiara-mitoetra amin' ny vahoaka."
9. Behold, he is hid now in some pit, or in some other place: and it will come to pass, when some of them be overthrown at the first, that whosoever heareth it will say, There is a slaughter among the people that follow Absalom.
9. voici maintenant, il est caché dans quelque fosse ou dans quelque autre lieu. Et si, dès le commencement, il en est qui tombent sous leurs coups, on ne tardera pas à l`apprendre et l`on dira: Il y a une défaite parmi le peuple qui suit Absalom!
9. "Indro, miery any an-davaka izy izao, na ao amin' ny fitoerana hafa; ary izao no hiseho, raha misy resiny amin' ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an' i Absaloma,"
10. And he also that is valiant, whose heart is as the heart of a lion, shall utterly melt: for all Israel knoweth that thy father is a mighty man, and they which be with him are valiant men.
10. "Alors le plus vaillant, eût-il un coeur de lion, sera saisi d`épouvante; car tout Israël sait que ton père est un héros et qu`il a des braves avec lui."
10. "Ary na dia izay mahery fo koa aza ka manana fo tahaka ny fon' ny liona, dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery fo koa ireny manaraka azy ireny."
11. Therefore I counsel that all Israel be generally gathered unto thee, from Dan even to Beersheba, as the sand that is by the sea for multitude; and that thou go to battle in thine own person.
11. Je conseille donc que tout Israël se rassemble auprès de toi, depuis Dan jusqu`à Beer Schéba, multitude pareille au sable qui est sur le bord de la mer. Tu marcheras en personne au combat.
11. "Koa izao no hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany; ka dia ny tenanao no hankany an-tafika."
12. So shall we come upon him in some place where he shall be found, and we will light upon him as the dew falleth on the ground: and of him and of all the men that are with him there shall not be left so much as one.
12. "Nous arriverons à lui en quelque lieu que nous le trouvions, et nous tomberons sur lui comme la rosée tombe sur le sol; et pas un n`échappera, ni lui ni aucun des hommes qui sont avec lui."
12. Dia ho tonga ao aminy amin' izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin' ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin' izay olona rehetra manaraka azy.
13. Moreover, if he be gotten into a city, then shall all Israel bring ropes to that city, and we will draw it into the river, until there be not one small stone found there.
13. S`il se retire dans une ville, tout Israël portera des cordes vers cette ville, et nous la traînerons au torrent, jusqu`à ce qu`on n`en trouve plus une pierre.
13. Fa raha miditra an-tanàna izy, dia hitondran' ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka dia hotarihintsika ho any amin' ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao.
14. And Absalom and all the men of Israel said, The counsel of Hushai the Archite is better than the counsel of Ahithophel. For the LORD had appointed to defeat the good counsel of Ahithophel, to the intent that the LORD might bring evil upon Absalom.
14. Absalom et tous les gens d`Israël dirent: Le conseil de Huschaï, l`Arkien, vaut mieux que le conseil d`Achitophel. Or l`Éternel avait résolu d`anéantir le bon conseil d`Achitophel, afin d`amener le malheur sur Absalom.
14. Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin' ny Isiraely: Tsara noho ny torohevitr' i Ahitofela ny torohevitra nataon' i Hosay Arkita. Fa efa notendren' i Jehovah ho foana ny torohevitra tsaran' i Ahitofela, hampidiran' i Jehovah loza amin' i Absaloma.
15. Then said Hushai unto Zadok and to Abiathar the priests, Thus and thus did Ahithophel counsel Absalom and the elders of Israel; and thus and thus have I counselled.
15. "Huschaï dit aux sacrificateurs Tsadok et Abiathar: Achitophel a donné tel et tel conseil à Absalom et aux anciens d`Israël; et moi, j`ai conseillé telle et telle chose."
15. "Dia hoy Hosay tamin' i Zadoka sy Abiatara mpisorona: Izany ka izany no torohevitra nomen' i Ahitofela an' i Absaloma sy ny loholon' ny Isiraely; ary izao ka izao kosa no torohevitra nomeko azy."
16. Now therefore send quickly, and tell David, saying, Lodge not this night in the plains of the wilderness, but speedily pass over; lest the king be swallowed up, and all the people that are with him.
16. Maintenant, envoyez tout de suite informer David et faites-lui dire: Ne passe point la nuit dans les plaines du désert, mais va plus loin, de peur que le roi et tout le peuple qui est avec lui ne soient exposés à périr.
16. Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin' i Davida hoe: Aza mitoetra any amin' ny tany lemaka any an' efitra anio alina, fa mità faingana, fandrao ho levona ny mpanjaka sy ny olona rehetra miaraka aminy.
17. Now Jonathan and Ahimaaz stayed by Enrogel; for they might not be seen to come into the city: and a wench went and told them; and they went and told king David.
17. "Jonathan et Achimaats se tenaient à En Roguel. Une servante vint leur dire d`aller informer le roi David; car ils n`osaient pas se montrer et entrer dans la ville."
17. "Ary Jonatana sy Ahimaza nitoetra tao En-rogela; fa tsy sahy niseho tao an-tanàna izy; ary nisy ankizivavy anankiray nivoivoy nanambara taminy; dia lasa nandeha nanambara tany amin' i Davida mpanjaka kosa izy roa lahy."
18. Nevertheless a lad saw them, and told Absalom: but they went both of them away quickly, and came to a man's house in Bahurim, which had a well in his court; whither they went down.
18. Un jeune homme les aperçut, et le rapporta à Absalom. Mais ils partirent tous deux en hâte, et ils arrivèrent à Bachurim à la maison d`un homme qui avait un puits dans sa cour, et ils y descendirent.
18. "Fa nisy zazalahy iray nahita azy ka nanambara tamin' i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon' olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy."
19. And the woman took and spread a covering over the well's mouth, and spread ground corn thereon; and the thing was not known.
19. La femme prit une couverture qu`elle étendit sur l`ouverture du puits, et elle y répandit du grain pilé pour qu`on ne se doutât de rien.
19. Ary nalain' ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan' ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy kobam-barimbazaha teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala.
20. And when Absalom's servants came to the woman to the house, they said, Where is Ahimaaz and Jonathan? And the woman said unto them, They be gone over the brook of water. And when they had sought and could not find them, they returned to Jerusalem.
20. Les serviteurs d`Absalom entrèrent dans la maison auprès de cette femme, et dirent: Où sont Achimaats et Jonathan? La femme leur répondit: Ils ont passé le ruisseau. Ils cherchèrent, et ne les trouvant pas, ils retournèrent à Jérusalem.
20. Ary nony tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon' i Absaloma dia nanao hoe: Aiza Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita dia niverina nankany Jerosalema.
21. And it came to pass, after they were departed, that they came up out of the well, and went and told king David, and said unto David, Arise, and pass quickly over the water: for thus hath Ahithophel counselled against you.
21. Après leur départ, Achimaats et Jonathan remontèrent du puits et allèrent informer le roi David. Ils dirent à David: Levez-vous et hâtez-vous de passer l`eau, car Achitophel a conseillé contre vous telle chose.
21. "Ary izao no niseho, nony efa lasa ireo, dia niakatra avy tao amin' ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa nandeha hanambara tamin' i Davida mpanjaka, ary hoy izy tamin' i Davida: Miaingà, ka mità faingana ny rano; fa izany no torohevitra nataon' i Ahitofela hamelezana anareo."
22. Then David arose, and all the people that were with him, and they passed over Jordan: by the morning light there lacked not one of them that was not gone over Jordan.
22. "David et tout le peuple qui était avec lui se levèrent et ils passèrent le Jourdain; à la lumière du matin, il n`y en avait pas un qui fût resté à l`écart, pas un qui n`eût passé le Jourdain."
22. "Dia niainga Davida sy ny olona nanaraka azy, ka nita an' i Jordana izy; ary nony maraina ny andro, dia tsy nisy tsy tafita an' i Jordana na dia olona iray aza."
23. And when Ahithophel saw that his counsel was not followed, he saddled his ass, and arose, and gat him home to his house, to his city, and put his household in order, and hanged himself, and died, and was buried in the sepulchre of his father.
23. Achitophel, voyant que son conseil n`était pas suivi, sella son âne et partit pour s`en aller chez lui dans sa ville. Il donna ses ordres à sa maison, et il s`étrangla. C`est ainsi qu`il mourut, et on l`enterra dans le sépulcre de son père.
23. "Ary nony hitan' i Ahitofela fa tsy narahina ny torohevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy ka nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nananton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin' ny fasan-drainy."
24. Then David came to Mahanaim. And Absalom passed over Jordan, he and all the men of Israel with him.
24. David arriva à Mahanaïm. Et Absalom passa le Jourdain, lui et tous les hommes d`Israël avec lui.
24. Ary Davida tonga tao Mahanaima. ary Absaloma nita an' i Jordana, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin' ny Isiraely izay nanaraka azy.
25. And Absalom made Amasa captain of the host instead of Joab: which Amasa was a man's son, whose name was Ithra an Israelite, that went in to Abigail the daughter of Nahash, sister to Zeruiah Joab's mother.
25. "Absalom mit Amasa à la tête de l`armée, en remplacement de Joab; Amasa était fils d`un homme appelé Jithra, l`Israélite, qui était allé vers Abigal, fille de Nachasch et soeur de Tseruja, mère de Joab."
25. "Ary amasa no notendren' Absaloma ho komandin' ny miaramilany ho solon' i Joaba; ary amasa dia zanak' ilay Isiraelita atao hoe Jitra, ilay nandry tamin' i Abigaila, zanakavavin' i Nahasy sady rahavavin' i Zeroia, renin' i Joaba."
26. So Israel and Absalom pitched in the land of Gilead.
26. Israël et Absalom campèrent dans le pays de Galaad.
26. Ary ny Isiraely sy Absaloma nitoby tany amin' ny tany Gileada.
27. And it came to pass, when David was come to Mahanaim, that Shobi the son of Nahash of Rabbah of the children of Ammon, and Machir the son of Ammiel of Lodebar, and Barzillai the Gileadite of Rogelim,
27. Lorsque David fut arrivé à Mahanaïm, Schobi, fils de Nachasch, de Rabba des fils d`Ammon, Makir, fils d`Ammiel, de Lodebar, et Barzillaï, le Galaadite, de Roguelim,
27. Ary izao no niseho, nony tonga tao Mahanaima Davida, dia indreo, tamy Soby, zanak' i Nahasy, avy any Raban' ny taranak' i Amona, sy Makira, zanak' i Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima,
28. Brought beds, and basons, and earthen vessels, and wheat, and barley, and flour, and parched corn, and beans, and lentiles, and parched pulse,
28. apportèrent des lits, des bassins, des vases de terre, du froment, de l`orge, de la farine, du grain rôti, des fèves, des lentilles, des pois rôtis,
28. Nitondra fandriana sy tavin-drano sy vilany tany sy vary tritika sy vary hordea sy koba sy lango sy tsaramaso sy voanemba ary voanemba voaendy,
29. And honey, and butter, and sheep, and cheese of kine, for David, and for the people that were with him, to eat: for they said, The people is hungry, and weary, and thirsty, in the wilderness.
29. "du miel, de la crème, des brebis, et des fromages de vache. Ils apportèrent ces choses à David et au peuple qui était avec lui, afin qu`ils mangeassent; car ils disaient: Ce peuple a dû souffrir de la faim, de la fatigue et de la soif, dans le désert."
29. "Sy tantely sy dibera sy ondry ary fromazin' ombivavy mba hohanin' i Davida sy ny olona niaraka taminy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta aty an' efitra ny vahoaka."